|
|
|
|

Entrée1  Takariva am-pivahiniana
Mots élémentaires  2  takariva, 3  fivahiniana
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur  6  Dox
Texte complet  7  Iny teheza-bohitra iny mahalasa vinaniko
8  Am'ireo alaalany ary vatolampy aminy,
9  Am'izato lohasaha sy tanimbary ety ambaniny...
10  Lavitra tokoa manko ankehitriny izany taniko!

11  Dify any ny masoandro.
12  Ny aloka iny tafandriana.
13  Taratry ny vodilanitra sisa loko amin'ny rano.
14  Mipololotra manga ireny ny setroka eny an-tafontrano,
15  Manetsika embona ao am-pon'ity am-pivahiniana…

16  Mihamanga ihany ny aloka; miady sisina ny loko
17  Mangina eny rehetra eny… Mangina koa ny ao am-poko...
18  Aloka mamelovelo! Fahanginana oriory!

19  Eto ambody aviavy no iainako an'izany.
20  Mifandrindra amin'ny foko izato alahelon-tany!
21  Ny embonembona avy eto misy ho nofy raha matory...

Mis à jour le 2025/09/15